4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Vol1. miandry, manantena - Ny Antsa Fitiavana

Reférence :

« Ary mandalo izao fiainana izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay. »

(1 Jaona 2:17)



« Satria Izaho no niraiketan’ny fitiavany, Dia hamonjy azy Aho,

Hanandratra azy ho any amin’ny avo Aho, satria mahalala ny anarako izy »

(Salamo 91:14)



--------------------------------------------------------------------



TANORA O! HENOY ‘ZAO HIRA IZAO

ANTSO, MITALAHO, NOHO NY FITIAVANY ANAO

FA JESOSY ANIE MIANDRY, MANANTENA

NY HANOLORANAO NY FIAINANAO HO AZY IZAO





1. Marina, tsy misy izay maha-ory anao

Ny tanjaka, ny hery koa anananao avokoa

Kanefa ho toy izany foana ve

Tsonjovy re ny farany



2. Namako ô! Tsy hoe filan-kisa aminao

Tsy fanerena anao koa handao ny lapa soa

Fa kosa tsy ho ireo no anankinanao ny fo

Andeha re ! omeo an’i Jesoa



3. Ho anao sahirantsaina lava izao

Tsy mba manana ireo harena, vola koa

Fa ny hany mba anao dia ny fanahinao

Omeo re !, fa tsy hanenenanao





Tonony sy feony :RAKOTONANAHARY Haritiana

2003

Partager vol1. miandry, manantena

Commenter vol1. miandry, manantena

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny Antsa Fitiavana

Suite